AKOM-BAOVAO FARITRA ATSIMO-ANDREFANA SY FARITRA ANDROY
Tontosa ny faha-05 hatramin’ny 11 Jolay 2023 ny fidinana ifotony tapany fahatelo ho fanaovana tombana ny fanavaozana PRE.
Ireto avy ny Kaominina sy Distrika nahavitana asa :
– Kaominina ambanivohitra isany : Beara, Maniry, Ankilizato, Amborompotsy ary Kaominina ambonivohitra Ampanihy, samy ao amin’ny Distrika Ampanihy-Andrefana, Faritra Atsimo-Andrefana ;
– Kaominina ambanivohitra Andalatanosy / Distrika Ambovombe / Faritra Androy.
Niara-nisalahy nanatanteraka izany ny avy eto anivon’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany syn y loharanonkarena stratejika Atsimo-Andrefana sy Androy niaraka tamin’ireo mpiara-miasa avy amin’ny DGRS, DSRRS, sy DEPGM samy avy any Antananarivo ary ny BCMM Toliara. Niaraka tamin’ireo mpamita iraka ny solotenan’ireo mpitrandraka isan-tokony sy tompon’andraikitra avy amin’ny Kaominina.
Toy ny asa rehetra natao nandritra ny fidinana ifotony teo aloha ihany no notontosaina, dia ny fanaovana »localisation » ny toerana izay misy toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao anatin’ny PRE/ZE, fakana sary; fanaovana tombana ireo »formations géologiques » hita any anivon’ny PRE sy/na ZE; fitsirahana ny lafiny ara-tontolo iainana; Fanadihadiana teny anivon’ny Kaominina sy/na Fokontany voakasiky ny PRE sy ZE izay nandalovana.
Irin’ireo mpandraharaha ny hivoahan’ny fanavaozana ireo PRE tsy ho ela.
Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Toliara
MMRS/DCRI – Juillet 2023