AKOM-BAOVAO: Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Fitovinagny
Tanjon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ny fampidirina ireo mpitrandraka madinika amin’ny sehatra manara-dalàna. Ho fanatanterahana izany indrindra dia nidina ifotony ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany FITOVINAGNY nanao fanentanana sy fampahafantarana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany tamin’ireo mpitrandraka volamena madinika tao amin’ny Kaominina ANALAVORY sy tao amin’ny Fokontany Mahavelo Kaominina ANTEZA Distrikan’i Manakara ny zoma 15 Novambra 2024.
Vonona arak’izany ary resy lahatra ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany hiditra amin’ny sehatra manara-dalàna ho tombotsoan’ny Kaominina sy ny Faritra misy azy ireo.
Fampitam-baovao sy sary: Talem-paritra DRMIM Fitovinagny