FILANKEVITRY NY MINISITRA-ALAROBIA FAHA-27 NOVAMBRA 2024 : Nankatoavina ny fanafoanana ny fampiatoana ny fitrandrahan’ny orinasa Base Toliara ary hisy ny fifanaraham-piaraha-miasa hosoniaviny miaraka amin’ny Fanjakana Malagasy

Ny taona 2019 no nandraisan’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanapahan-kevitra fampiatoana ny momba ny tetikasa fitrandrahana fasi-mainty Base Toliara.

Nanomboka hatramin’izay ny fifampiraharahana teo amin’ny Fitondram-panjakana sy ity orinasa ity mba hahafahana mitady vahaolana hahitana tombontsoa iombonana : ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA no nitarika ny fifampiraharahana ary nametraka ny tombontsoan’ny firenena ho laharam-pahamehana.

Isan’izany ny fahazoana tombony bebe kokoa eo amin’ny lafiny hetra, ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana, ireo vondrom-bahoaka sy Madagasikara iray manontolo.

Nanambara ny Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy manome tamberin’andraikitra mivantana ho an’ny vahoaka ny orinasa. Tanjona ny mba hahazoana tombontsoa ho an’ny firenena fa tsy ho an’olom-bitsy. Ankoatra ireo asa an’arivony hiforona, maro ireo fotodrafitrasa izay tena hipàka amin’ny sosialim-bahoaka hatsangana.

Hisy ny fifanaraham-piaraha-miasa ho soniavina eo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Base Toliara mba hiantohana ny fampandrosoana ny Tetikasa sy hampazava tsara ireo fepetra ara-teknika, momba ny tontolo iainana, ara-bola, araka ny lalàna sy ny lafiny sosialy.