Antandrokomby Ambatondrazaka : Notolorana taratasim-panjakana fanomezana alalana ny vondrona mpitrandraka madinika hahafahan’izy ireo hiasa ara-dalàna
Natolotry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany, RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny Vondrona mpitrandraka madinika Firaisankina ny Autorisation Minière d’Exploitation Artisanale (AMEA), izay taratasy fanomezana alalana ofisialy ho an’ireo mpikambana ao anatin’izany mba hiasa ara-dalàna, hanao asa fitrandrahana quartz rose ao Antandrokomby, Kaominina Ambohitsilaozana, Distrikan’Ambatondrazaka.
Tao anatin’ny hafaliana sy fankasitrahana tanteraka no nandraisan’ireo mpitrandraka madinika sy vahoaka an’izany mba ho vahaolana manoloana ny tranga fitrandrahana quartz rose izay mampirohotra olona an’anarivony avy amin’ny lafy valon’ny Nosy. Nanomboka nahitana olana ara-piaraha-monina sy nanohintohina ny filaminam-bahoaka tany an-toerana ka nisy ny fitadiavam-bahaolana niarahan’ny Ministera tomponandraikitra tamin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry miadidy ny Distrikan’Ambatondrazaka.
Ankoatra an’ireo tomponandraiki-panjakana eny ifotony, ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara roalahy voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka, ny Governoran’ny Faritra, ny Préfet, ireo Tangalamena sy Raiamandreny ara-drazana, dia isan’ny nanotrona izany ireo mpiara-miasa avy amin’ny Ministera foibe sy ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Alaotra Mangoro sy BCMM Ambatondrazaka.
Tsara ny manamarika fa :
Io toerana nitrandrahan’ny vahoaka io dia ao anatina fari-pitrandrahana manan-tompo, misy Permis de Recherche,
Raha ny lalàna teo aloha dia tsy azo atao mihitsy ny mitrandraka anaty faritra efa misy Permis minier saingy efa navaozina ny Code Minier ary misy ny fitsinjovana manokana ny fifehezana ny tranga toy izao nampidirina
Ny fanomezana izao AMEA izao dia ho fampiharana ny Andininy faha-28, 29 ary 31 amin’ny Code Minier vaovao. Notanterahana izany satria feno ireo fepetra takian’izany dia ny fankatoavan’ny tompona Permis minier ny fiasàn’ireo mpitrandraka madinika eo amin’ny fari-pitrandrahany, ny fivondronan’izy ireo anaty Vondrona ara-dalàna mitsangana ara-panjakana, ny famaritana Couloir d’exploitation artisanale izay toerana afaka itrandrahan’ny Vondrona (ifanarahana amin’ny tompon’ny Permis minier)
Ity no couloir d’exploitation artisanale voalohany napetraka manerana an’i Madagasikara, isan’ny paikady vaovao nampidirina tamin’ny fanavaozana ny Code Minier mba hahafahana mifehy ny fihitaran’ny tranga firohotana anaty fari-pitrandrahana misy permis minier.