AKOM-BAOVAO ALAOTRA MANGORO : nofaritana ny toerana hahafahan’ireo mpitrandraka madinika miasa ara-dalàna ao Antandrokomby Ambatondrazaka

Ho fanohizana ireo fepetra sy firosoana amin’ny lamina, araka izay mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery, manoloana ny fitrandrahana quartz rose, ahitana mpitrandraka madinika maro mirohotra ao amin’ny kariera Antandrokomby, Kaominina Ambohitsilaozana, Distrikan’Ambatondrazaka, tontosa soa aman-tsara ny Alakamisy 21 Novambra 2024 ny fidinana ifotony namaritana ny faritra azon’ireo mpitrandraka madinika hanaovana fitrandrahana na « couloir d’exploitation artisanale ».
Niara-nanatanteraka izany ny teknisianina avy eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany foibe, ny Fitaleavam-paritra DRMIM Alaotra Mangoro, ny BCMM Ambatondrazaka, niaraka tamin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry any an-toerana.
Nanatrika izany ihany koa ireo mpisehatra isan-karazany toy ny mpitrandraka, tompon-tany, Tangalamena sns.
Marihana fa anaty fari-pitrandrahana manan-tompo no isian’io tranga fitrandrahana io ary izao asa famaritana izao no afaka natao dia nisy ny fankatoavana avy amin’ny orinasa tompon’ny fahazoan-dalana hikaroka, izay nosoloin’ny « mandataire » tena.
Tanjona hatrany ny mba hahafahana mampiditra ireo mpitrandraka amin’ny rafitra ara-dalàna sy matihanina kokoa.
Hiroso amin’ny fanolorana ho an’ny vondrona mpitrandraka madinika ny taratasy manamarina sy manaporofo ny maha ara-dalàna ny fahafahan’izy ireo miasa ao anatin’io toerana voafaritra io ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier ny Zoma 22 Novambra 2024, taorian’ireo dingana natao ireo.