FANAMPIM-BAOVAO mikasika ireo fidinana ifotony ho fanaovana tombana mialoha ny fanavaozana ny fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka madinika (Renouvellement PRE)

Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny Alakamisy 30 Martsa 2023 ny famerenana tsikelikely ny fandinihana ireo fangatahana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany, izay mbola mihantona eo anivon’ny Birao miadidy ny Sora-pananana momba ny Harena an-kibon’ny tany na ny Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM).

Talohan’izany anefa dia efa nisy ny ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana nandraisana fepetra entina hamahana ny olan’ireo mpitrandraka madinika :

–  Ho fanatsarana ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany, araka ny Velirano faha-10 nataon’ny Filohan’ny Repoblika « Fitantanana lovainjafy ny harena voajanahary”, dia efa nisy ny fomba fiasa vaovao napetraky ny Ministera tomponandraikitra amin’ny fametrahana ny Bokin’andraikitra mialohan’ny hanomezana fahazoan-dalana hitrandraka ; nasiam-panitsiana ho fampidirana izany ny Didim-pitondrana 2006-910, izay didy fampiharana ny Fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

–  Noraisina ihany koa ny Didim-pitondrana Laharana faha-33265/2022

ny 07 Desambra 2022 mamaritra ireo fomba sy fepetra ho enti-manatanteraka ny fanaovana tombana hahafahana miroso amin’ny fanavaozana ireo fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka madinika (PRE).

Voamarika ao anatin’izany Didim-pitondrana izany ny tsy maintsy hidinana ifotony mandritra ny dingana fanaovana tombana, mba hanomanana ny Bokinandraikitra ho an’ny Zones d’encadrement sy ny fanavaozana ny PRE. Taorian’ny fanaovana tombana ambony latabatra, teo am-piandrasana ny vanim-potoana main-tany, dia efa mandeha miparitaka manerana ireo Faritra 23 manerana ny Nosy ankehitriny ireo Teknisianina avy amin’ny Ministera foibe sy ireo eny anivon’ny Fitaleavam-paritra sy BCMM isam-paritra, manatanteraka izany fidinana ifotony izany

Tontosaina mandritra ny fidinana ifotony ny :

– Fanamarinana ny toerana izay misy toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao anatin’ny PRE, arahana fakana sary ;

– Fanaovana tombana ireo  »formations géologiques » hita any anivon’ireo PRE ;

– Fijerena ireo karazana singa na substances minières izay tena tokony ho hita ao anatin’ny fari-pitrandrahana voakasiky ny fahazoan-dalana ;

– Fijerena izay asa vitan’ny mpandraharaha nandritra ny fotoana nananany ny fahazoan-dalana ;

– Fitsirihana ny lafiny ara-tontolo iainana ;

– Fanadihadiana eny anivon’ny Kaominina sy/na Fokontany voakasiky ny PRE ;

– Fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpitondra ifotony sy mpitrandraka.

Tsara ny manamafy fa fanaovana tombana no antony hanatanterahana ireo andiana fidinana ifotony manerana ny Nosy ireo fa tsy misy mihitsy hatreto ny fanomezan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany fahazoan-dalana hitrandraka. Ny tatitra ankapobeny ho tanterahana aorian’izao tombana izao rahateo dia halefa amin’ireo tomponandraiki-panjakana amin’ny ambaratonga ambony mba handraisana ny fanapahan-kevitra farany mikasika ireo fahazoan-dalana ireo.