Lalaon’ny Nosy 2023 : Niverina nitsidika sy nanome tosika ho an’ireo mpilalao tsipy kanetibe ireo minisitra mpiahy ny taranja
Nanatontosa fitsidihana teny amin’ny Complexe Sportif CNAPS Vontovorona indray androany Alakamisy 10 Aogositra 2023, ireo Minisitra mirahalahy miahy ny taranja Tsipy kanetibe, ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier sy ny Minisitry ny asa, ny fampanan’asa ary ny lalàna sosialy Richard Jean Bosco RIVOTIANA.
Tonga nanatanteraka ireo fampanantenana sy teny nifanomezana tamin’ny fitsidihana voalohany natao andro vitsivitsy lasa sy nitondra ireo fanampiana avy amin’ny Filoham-pirenena sy ny fitondram-panjakana. Ankoatra ny tohana ara-moraly, notolorana vola mitentina 9 tapitrisa Ariary, ranom-boankazo, fanafody, tohana ara-tsakafo mba hanome hery sy tanjaka ireo mpilalao tsipy kanetibe. Ankoatra ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana foibe dia mitondra ny anjara birikiny ihany koa ireo mpanohana ity taranja ity amin’ny Lalaon’ny Nosy.
Voninahi-pirenena no arovana. Naneho ny fiombonam-po sy nankahery ireo mpilalao izay efa ao anatin’ny fanazaran-tena tanteraka ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Nambarany fa eo akaikin’ireo mpilalao ary mbola ho eo hatrany, manohana azy ireo ny Fitondram-panjakana sy izy mirahalahy Minisitra mpiahy, nampita hafatra sy namporisika ireo mpilalao Tsipy kanetibe hiaro sy hitandro izany voninahi-pirenena izany ny tenany.
Mbola hitohy hatrany ny fanampiana sy ny fampitaovana hafa ho an’ireo mpilalao, toa ny fanamiana iombonana sy izay kojakoja ilain’izy ireo amin’ny fiomanana sy fanazaran-tena.