« FOARA VOATSE 2023 » ANDIANY VOALOHANY NOKARAKARAIN’NY GOVERINORAN’NY FARITRA ANDROY, TAO AMBOVOMBE-ANDROY

Notanterahana ny faha-04 hatramin’ny 07 Oktôbra 2023 ny foara ara-toekarena sy ara-kolotsaina nomena anarana hoe VOATSE, nivondronan’ny mpisehatra rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana, anehoana ny herijika sy ireo harena an-kibon’ny tany, an-dranomasina sy an-tanety, indrindra ireo harena arak’olona izay maro azo tovozina sy avadika hirika hampivoarana ny Faritra ANDROY.

Nandray anjara tamin’izany hetsika izany, indrindra fa ny fampirantiana ny DIRMRS Toliara amin’ny mahatafiditra ao anaty fari-piadidiany ny Faritra Androy.

Ny Minisitry ny jono sy toe-karena manga, Andriamatoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert no nanokatra ny hetsika izay notanterahana teo ambany fandrindran’i Fiadidian’ny Faritra ANDROY, ary ny lanonam-panokafana dia natrehan’ireo olo-manan-kaja ambony sy delagasiona avy amin’ny masoivoho maro

Raha eo amin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany dia ahitana ireo vokatra rehetra toy ny « Pierres précieuses, pierres fines ary pierres industrielles » any amin’ny Faritra Androy. Misy ny orinasa vaventy izay efa mitrandraka ao, maro koa ireo mpitrandraka artizanaly, izay samy isan’ny mampidi-bola ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy miteraka asa ho an’ny vahoaka.

Nahitana karazana harena an-kibon’ny tany tao amin’ny trano eva nandraisan’ny DIRMMRS Toliara anjara, toy ny Graphite, Mica, Apatite, Labradorite, Cordiérite, Tourmaline…

Nahazo ny laharana faharoa tamin’ny trano eva mendrika indrindra ny DIRMRS Toliara izay nahaliana ny mpitsidika maro na teratany vahiny na Malagasy toa ireo manam-pahefana, ireo mpianatra, ary sokajin’olona hafa isan-karazany ka Irariana ny hitohizan’ny hetsika ara-toe-karena toy izao.

Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Toliara