Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tompon’andraikitra sy ady amin’ny aretina Tiberkilaozy

Notanterahana ny alakamisy 05 Oktobra 2023 teo ny fidinana ifotony tany Fort Dauphin ho fanentanana sy ady sisika mahakasika ny fametrahana Toerana fitiliana sy fitsaboana Tiberkilaozy teo anivon’ny QMM, izay niarahan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministera misahana ny Harena an-kibon’ny Tany.

Ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany moa dia voasokajy ho anisan’ireo sokajin’olona marefo raha ny aretina Tiberkilaozy no resahina.

Izao fidinana ifotony izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny Drafitra Stratejika Nasionaly ho amin’ny ady atao amin’ny Tiberkilaozy eto Madagasikara. Mbola maro ireo drafitr’asa miandry ho fikarohana ireo marary aty amin’ny sehatry ny fitrandrahana, anisan’izany ny fametrahana toeram-pitiliana sy fitsaboana mifindrafindra sy ny fanentanana ny mpitrandraka hanatona toeram-pitsaboana raha misy tranga mampiahiahy, satria azo tsaboina ary tsy misy fandoavam-bola ny fitiliana sy fitsaboana ny Tiberkilaozy. Eo koa ny fanentanana sy fanaraha-maso ny mpampiasa mahakasika ny fanajana ny zon’ny mpiasa.

Fampitam-baovao sy sary : Directeur de la Règlementation Environnementale et de Sécurité (MMRS/DRES)