Nivahiny tao amin’ny Fandaharana ADY HEVITRA tao amin’ny Televiziona Malagasy ny Zoma 15 Janoary 2021 Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA, Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika.

Lohahevitra maromaro no voaresaka nandritra izany, isan’izany ny momba:

  • Ny raharaha volamena 73,5 kg naondrana antsokosoko tratra tao Afrika Atsimo: mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana ataon’ny Fanjakana malagasy sy ny fifandraisana ara-diplomatika miaraka amin’i Afrika Atsimo. Nihemotra ho amin’ny 1 Febroary 2021 ny raharaham-pitsarana any Afrika Atsimo ary tsy marina ny filazàna fa nolavin’ny Fitsarana any an-toerana ny fangatahan’ny Fanjakana Malagasy hampodiana ireo telo lahy voasambotra tany sy hamerenana an-tanindrazana ireo volamena izay ny firenena Afrika Atsimo no mbola mihazona azy saingy ampidirina avy hatrany ao amin’ny Tahirim-bolamenam-panjakana rehefa miverina eto Madagasikara. Samy manao ny asa tandrify azy ny tomponandraikitra rehetra ary tsy misy ho afa-maina izay voakasik’izao raharaha izao.
  • Ny tontolon’ny seha-pihariana volamena: tsy mifanaraka amin’ny antontanisa voarakitra ofisialy ny zava-misy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena satria manodidina ny 10T mahery no volamena voalaza fa avy aty Madagasikara ary latsaka lavitra noho izany no volamena voasoratra fa naondrana tamin’ny fomba ofisialy, izany hoe mandalo amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany (2020: 1938kg). Tsy tafiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola mifanaraka amin’ireo tsy voarakitra ofisialy ireo ary manampy trotraka ny tsy fiverenan’ny vola vahiny (rapatriement de devises) araka ny tokony ho izy. sy ny paikady ifarimbonan’ny Fanjakana hiarovana ny sisin-tany sy hamongorana ireo tambazotra fanondranana antsokosoko ny harenam-pirenena.
  • Ny Tahirimbolamenam-panjakana : ny 15 Desambra 2020 no nanomboka nividy volamena ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Hatreto dia 177 kg no volamena ao amin’ny Tahirimbolamenam-panjakana ary mbola mitohy ny fividianana volamena amin’ireo mpandraharaha ara-dalàna voafantina sy mahafeno ny fepetra amin’izany.
  • Ny fivoaran’ireo dingana ho amin’ny fanatsarana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany: amperinasa tanteraka ny Komity ivondronan’ny vondrona marolafy ahitana ireo Mpitrandraka teratany, Mpitrandraka vaventy, ny Fiarahamonim-pirenena, ny Sendika ary ny Fanjakana.
  • Ny orinasa Kraomita Malagasy : efa misy ny ezaka nataon’ny Fanjakana ary nandoavana ny karaman’ny mpiasa telo volana na tao anaty fikatsoana sy tsy nihodina aza ny orinasa. Mitohy ny fitadiavam-bahaolana ho amin’ny drafi-panarenana ity orinasam-panjakana izay tafalatsaka anaty fahavoazana lalina noho ny fifanarahana tsy voahevitra ka mamatotra ny orinasa hatramin’izao.
  • Ny zava-misy ara-politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao: tany demokratika i Madagasikara ary mandala ny fahalalahan’ny rehetra miteny sy maneho hevitra. Misy ny tolo-kevitra ho fanatsarana ary mandray sy mandinika izany ny Fanjakana. Misy koa anefa ny fanehoan-kevitra sy ny fampielezana vaovao tsy marina mampisavorovoro ny saim-bahoaka sy fambolena fankahalana.

Miroso ho amin’ny lalan’ny fampandrosoana izay efa izorany ny Fitondram-panjakana izay mifanome tanana amin’ny vahoaka ho fanatanterahana izany.