AKOM-BAOVAO FARITRA AMORON’I MANIA : mpikirakira asa vato anarivony tao Antetezananovotra Itremo no nomena torolalana momba ny asa fihariany

Tonga nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny toeram-pitrandrahana iray atao hoe Antetezananovotra, CR Itremo, District Ambatofinandrahana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM Amoron’i Mania, niaraka tamin’ireo manam-pahefana any an-toerana toy ny Ben’ny tanàna, ny delegen’ny Arrondissement, ny sefo fokontany ary ireo mpitandro ny filaminana ny Alarobia 31 Janoary lasa teo.

Olona efa mihoatra ny 1000 no hita tany an-toerana, ahitana sokajin’olona maro toy ny mpitrandraka, mpivarotra, ary vato fantôme vert (cristal avec inclusion) no trandrahana amin’izany.

Nandritra ny fidinana ifotony dia nanentana sy nanoro lalana ny hidirana ao amin’ny sehatry ny ara-dalàna amin’ny alalan’ny Zone d’Encadrement izay anomezan’ny Fanjakana tantsoroka ireo vondrona mpitrandraka madinika ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM Amoron’I Mania. Nararaotina ihany koa ny fanabeazana ny rehetra amin’ny tsy maintsy hanajana ny tontolo iainana amin’ny asa atao toy ny fikajiana ny rano fisotro, fanaovana toeram-pivoahana ara-pahasalamana, ny tsy fanapahana hazo manodidina ary indrindra tsy fampiasana zaza tsy ampy taona amin’ny sehatra fitrandrahana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Amoron’i Mania