FITSIDIHANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NATAON’NY DELEGASIONA MALAGASY TARIHAN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA TANY ANGOLA
Namaly ny fanasana avy tamin’Andriamatoa João Manuel Gonçalves Lourenço, Filohan’ny Repoblikan’i Angola ary nanatanteraka fitsidihana tamin’ny fomba ofisialy any an-toerana ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry RAJOELINA sy ny delegasiona notarihany.
Nifototra tamin’ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta narahina fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ny fihaonana teo amin’ny Filoha mirahalahy.
Isan’ny mandrafitra ny delegasiona niara-dia tamin’ny Filoham-pirenena tamin’ny fitsidihany tany Angola ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Dr RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.