FARITRA MELAKY : Fanomanana ny fametrahana Zone d’encadrement ho an’ny mpitrandraka madinika tao amin’ny kariera Miloma sy Androtry tao Betanatanana
Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny politikam-panjakana amin’ny fametrahana ny « Zone d’encadrement » ho an’ireotoerana izay misy asa fitrandrahana vato hiasan’ireo mpitrandraka madinika, tanterahan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena ankibon’ny tany Melaky hatramin’izao.
Tao amin’ny kariera MILOMA sy ANDROTRY ao anaty ny kaominina BETANATANANA indray no nanatanterahana izany ny faha 30-31 jolay 2024 teo. Niompana taminy (fakàna mari-toerana ara-jeografia), sady narahina fanentanana natao tamin’ireo vahoaka mpitrandraka mba hivondrona ao anatin’ny fikambanana sy hanaja ny fahadiovana manodidina sy ny lafiny ara-teknika mpitrandrahana.
Efa kariera maromaro no nahavitana izany tato amin’ny faritra Melaky, ary mbola maro ihany koa no hotanterahana, hoy ny talem-paritra Razanadratefa Zotonokinendry; nanotrona azy tamin’izany moa ny Ben’ny tanànan’i BETANATANANA sy ireo solontenan’ny mpandraharaha vato.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Melaky