AKOM-BAOVAO FARITRA ATSINANANA : Fidinana ifotony ho fametrahana ny « Zone d’Encadrement » ho an’ny mpitrandraka madinika
Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambodilazana, DistrikaToamasina II, Faritra Atsinanana, ny ekipan ny Fitaleavam-paritry ny Harena Ankibon-tany Toamasina sy ny BCMM Toamasina.
Araka ny fangatahana voaray nataon’ ny Fikambanan’ ny Mpitrandraka Madinika Ambodilazana (FMMA) dia nidina ifotony sy nanamarina izany ny ekipan’ ny Fitaleavam-paritry ny Harena Ankibon-tany sy ny BCMM Toamasina ny faha 01/02/2024 ka hatramin’ny 04/02/2024.
Nisy ny fihaonana tamin’ireo Tompon’ andraiki-panjakana toy ny Chef District, ny Ben’ny Tanàna ary ny Tangalamena tao an-tanàna nanazavana ny antony izany fidinana ifotony izany sy ireo tombontsoa vokatr’izany.
Nomena tantsoroka ireo Mpitrandraka madinika ary nazavaina tamin’izy ireo ny tombontsoa azo amin ny fidirana ao anatin’ny ara-dalana izany. Nentanina ihany koa izy ireo mba hanaja ny tontolo iainana.
Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMIM Toamasina
MIM/DCRP – Février 2024