FARITRA MELAKY : Fanomanana ny Fametrahana « Zone d’encadrement » hanomezana tantsoroka ho an’ireo mpitandraka madinika tao amin’ny Kaominina Ankisatra, Andabotoka ary Mafajito
Nitohy tany amin’ny kaominina ANKISATRA (Anosibe), ANDABOTOKA (Tsiakolamonty, Ambalavato, Ankotromavo, Tsianaloka, Ankara), ary MAFAIJIJO (Belambo) ny fidinana ifotony nataon’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany DRMIM Melaky ny 03-04-05 Aogositra 2024, amin’ny fametrahana ny « Zone d’encadrement » ho an’ireo Mpitrandraka madinika ny harena an-kibon’ny tany sy fanamafisana ny fepetra takiana amin’izany.
Natsangana tamin’ireo kariera ireo ny fikambanana mpitrandraka madinika mba ahafahana manaramaso sy hanamorana ny fampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna.
Misy ireo fampianarana, omen’ireo teknisiana avy amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, momba ny asa fitrandrahana vato sy ireo fitaovana artizanaly tokony hampiasana mifanaraka amin’izany mba ahafahan’izy ireo mampitombo ny vokatra no sady miaro ny tontolo iainana.
Ankoatr’izay dia nentanina ihany koa ireo mpitrandraka madinika mba hanaja ny tontolo iainana sy ny fahadiovana ao anatin’ny ny toeram-pitrandrahana sy ny manodidina izany , ny momba ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny lafiny maro samihafa.
Ny Talem-paritry ny harena an-kibon’ny tany Melaky Razanadratefa Zotonokinendry hatrany no nitarika ny hetsika niaraka tamin’ireo namana mpiara miasa. Notronin’ny Ben’ny Tanàna ny Kaominina ANKISATRA sy ANDABOTOKA.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Melaky