FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ASIEF 2024 TAO ANTSIRABE

« Mpiasam-panjakana tomady ara-batana sy ara-tsaina antoky ny fampandrosoana ny firenena ».

Tontosa androany Asabotsy 10 Aogositra 2024 tao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy Antsirabe, renivohitry ny faritra Vakinankaratra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ara-panatanjahan-tena sy fitaizam-batana iraisan’ny mpiasam-panjakana na ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires) ho an’ity taona 2024 ity.

Mpikambana maromaro eo anivon’ny Governemanta no nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ka diabe, fifandimbiasam-pitenenana, soradihy ary lalao ara-piralahiana teo amin’ny mpikambana ao anatin’ny Governemanta sy ireo mpikatroka ASIEF no nanamarihana izany.

Ankoatra ny fikolokoloana ny fahasalamana dia anisany maha zava-dehibe ity hetsika ara-panatanjahan-tena ity ny hanasongadinana ny firalahiana sy ny firaisankina eo amin’ny samy mpiasam-panjakana.

Any an-toerana ireo mpikatroka solontenan’ny avy eto anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany mandray anjara amin’ity fifaninanana ara-panatanjahan-tena izay haharitra hatramin’ny 18 Aogositra 2024 ho avy izao ity ka ny taranja hazakazaka fototra, tsipy kanetibe, baolina kitra, volley-ball no handraisan’izy ireo anjara.

MIM/DCRP- Août 2024