FAMPAHAFANTARAN’NY GOVERNEMANTA NY PROGRAMAN’ASA FANATANTERAHANA NY POLITIKA ANKAPOBEN’NY FANJAKANA

Tontosa soa aman-tsara, araka ny takian’ny Lalam-panorenana ny fampahafantaran’ny Governemanta ny Programan’asa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana.

Nanatanteraka izany, tamin’ity herinandro ity, teny anivon’ireo Antenimiera roa tonta Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian.

Manana anjara lehibe amin’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena, izay Andry Faharoa voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Indro zaraina amintsika ireo teboka momba ny Fandaharan’asa amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, izay miompana indrindra amin’ny :

Seha-pihariana volamena

Fampiroboroboana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy

Asam-panjakana manakaiky vahoaka

Fampidirana ho matihanina ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany artizanaly

MIM/DCRP-Février 2024