FARITRA DIANA : Fidinana ifotony tao Ambarakaraka sy Ambatoben’Anjavy hampidirana ireo mpitrandraka artizanaly amin’ny sehatra ara-dalàna
Ho tohin’ny ny fametrahana ny « Zone d’Encadrement » (ZE) izay atao ho fampidirana ny Vondrona mpitrandraka madinika ao anatin’ny ara-dalàna, dia mitohy hatrany ny fidinana ifotony izay atao eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM DIANA sy ny BCMM Antsiranana, araka ireo fangatahana izay tonga eo am-pelatanana.
Niarahana tamin’ireo Ben’ny tanàna an’ny Kaominina izay voakasiky ny asa fitrandrahana izany ary natao tao amin’ny Kaominina Ambarakaraka, Fokontany Ankobo sy Kaominina Ambatoben’Anjavy Fokontany Amborondolo sy Andongoza.
Tsapa fa maro ireo mpitrandraka no liana amin’ny fidirana ao anatin’ny ara-dalàna no sady mankasitraka ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Fitondram-panjakana amin’ny famoronana asa ho an’ireo mpitrandraka madinika amin’ny alalan’ny fikambanana hajoro.
Marihana fa ireo teknisianina eo anivon’ny Ministera amin’ny alalan’ireo Fitaleavana isam-paritra na iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany no hanoro sy hanome toromarika ho an’ireo vondrona mpitrandraka amin’ny lafiny ara-panjakana, ara -tontolo iainana ary ny momba ny teknikam-pitrandrahana ao anatin’izany « Zone d’encadrement » izay hanomezana tantsoroka azy ireo izany.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM DIANA