FIHAONAMBEN’NY MPIASAN’NY OMNIS TENY AMIN’NY MINING BUSINESS CENTER IVATO- ZOMA 10 MAY 2024

Tontosa ny Zoma 10 May 2024 lasa teo teny amin’ny Mining Business Center Ivato ny fihaonamben’ny mpiasan’ny Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques (OMNIS). Ratsa mangaika eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ny OMNIS, isan’ny iandraiketany ny resaka fitsirihana, fitrandrahana solitany fa indrindra ihany koa ny fampahafantarana ny fananan’i Madagasikara « blocs pétroliers ».

Nanome voninahitra ity fihaonamben’ny mpiasa eo anivon’ny OMNIS ity ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany, Dr RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Nampahalala ireo teboka tsara ho fantatra manodidina ny fanavaozana samihafa sy ny anjara toerana lehibe sahanin’ny OMNIS araka izay voafaritra, ho fampiroboroboana ny seha-pihariana ary ho fitondrana ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny sehatra sy ny firenena. Izany dia miainga avy amin’ireo fifanaraham-piaraha-miasa sy fampiasam-bola ahazoan’ny andaniny sy ankilany tombontsoa.

Natolotra nandritra izany ny Drafitrasa stratejika an’ny OMNIS ho an’ny taona 2023-2027

Rohy :https://www.facebook.com/photo/?fbid=487319127020818&set=a.143214401431294