FIHAONANA TAMIN’IREO BEN’NY TANANA MISITRAKA NY TAMBERIM-BIDY ENTIN’NY ASA FITRANDRAHAN’NY ORINASA AMBATOVY

Taorian’ny fitsidihana ireo toeram-pitrandrahana Nickel sy Cobalt tao Ambatovy Moramanga ny 25 Febroary 2021 dia nisy ny fihaonan’Andriamatoa Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika Fidiniavo RAVOKATRA tamin’ireo Ben’ny Tanàna ny Kaominina Ambohibary, Morarano Gara ary Andasibe izay kaominina misitraka be indrindra ireo tamberim-bidy amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany avy amin’ny orinasa Ambatovy.

Tsy maintsy jerena araka izany ny mety ho fiantraikan’izany fitrandrahana izany amin’ny vahoaka sy ny fampandroasana ireo vondrombahoakamparitra. Araka izany, notanterahana izao fihaonana sy fifanankalozan-kevitra izao eo amin’ireo Ben’ny tananan’ny kaominina izay misitraka ireo tamberim-bidy entin’ny asa fitrandrahana ataon’ny tetikasa Ambatovy.

Nanomboka ny volana Oktobra 2012 no nandray izany izy ireo ary ankehitriny dia atao ny tombanezaka ny amin’ny asa fampandrosoana sosialy izay vita sy ny tetikasa izay kasain’izy ireo hotanterahana mba ahafahana mampifandrindra ny fampandrosoana eny ifotony sy ny fampandrosoana ataon’ny Fanjakana Foibe. Nampahafantarina an’ireo Ben’ny Tanana ihany koa ny amin’ny Vina sy ny fomba fiasan’ny Fitondram-panjakana manoloana izany tamberim-bidy sy tetikasa fampandrosoana ifotony izany.

Heverina fa rehefa mitohy ny asa fitrandrahan’ny tetikasa Ambatovy dia hizotra manaraka ny vinan’izao Fitondram-panjakana izao ny fampandrosoana an’ireo kaominina ireto.