FANAZAVANA NENTIN’ANDRIAMATOA RAKOTOMALALA HERINDRAINY OLIVIER, MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY Aiza ho aiza marina ny toerana hanatanterahana ny tetikasa ataon’ny Base Toliara ?
-Ao Ranobe, 46 km avaratr’i Toliara no misy ny toerana hitrandrahana fa tsy ao an-thampon-tanànan’i Toliara.
–Ao « an-kibon’ny tany » ara-bakiteny no misy ny akora ilaina, noho izany dia miankina tanteraka amin’izay toerana misy ny akora ny toerana hanaovana ny asa rehefa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no resahana.
-Tsy eo amoron-dranomasina koa ny fitrandrahana fa lavitra raha miohatra amin’ireo tora-pasika mampiroborobo ny fizahantany : 16 km miala an’i Mangily ary miala 18 km an’Ifaty, samy miditra any an-tanety
– Tsy misy tanàna ao anaty faritra itrandrahana fa toerana iandrasana omby sy faritra misy fambolena madinika no any an-toerana amin’izao.
-Alan’ny Mikea: dia toy izay ihany koa, tsy misy ala haripaka, tsy misy mponina Mikea ho voatohintohina satria kilaometatra maro no manasaraka azy ireo amin’ny toeram-pitrandrahana
-Andaboy Toliara: fanorenana fotodrafitrasa vaovao (Jetée), karazana seranan-tsambo ho famoahana ny vokatra haondrana no hatao ao Andaboy fa tsy hisy fitrandrahana atao eo amoron-dranomasina
-Tsy manerana ny plage Andaboy manontolo anefa izany fa 2 hekitara ihany amin’ny zone industrielle 1000Ha, ary efa tafiditra ao anatin’ny drafi-pampandrosoana ny tanànan’I Toliara PUDI izany
-Tsy hamakivaky ny tanànan’I Toliara ireo fiara be mitatitra ny vokatra satria tsy hampiasa ny seranantsambo izay efa misy amin’izao ny Tetikasa fa hanamboatra lalana, tetezana sy “jetée” vaovao
-Tsy hisy faharavan’ny asa fivelomana na fanelingelenana ny asa fanjonoana: raha toa misy ireo mpanjono te hanao ny asany eny amin’ny faritry ny “jetée” dia efa novolavolaina ho amin’izany ny fotodrafitrasa, nasiana tsatoka tongony miakatra avo mba hahafahan’ny olona sy ny lakana mivezivezy ihany.
Araho ato anatin’ity horonantsary ity ny fanazavana entin’Andriamatoa Minisitry ny Harena An-kibon’ny tany, miampy ireo saritany sy vinavina fotodrafitrasa mba ahazoantsika sary an-tsaina tsara ny marina momba an’ity Tetikasa ity: https://www.facebook.com/watch/?v=1331017691438239&rdid=u6cFtCZ61kFH3i0e