MADAGASCAR SHOWCASE- AFRICA DOWN UNDER 2024-Perth, Australie

Fahombiazana tanteraka no azon’ny hetsika Madagascar Showcase ny Zoma 06 Septambra 2024, tany Perth Australie. Hetsika manokana notanterahan’ny delegasiona Malagasy nampahafantarana ireo tokony ho fantatra mikasika ireo dingana vita sy ireo ainga vao eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.

Tonga maro namaly ny antso ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola amin’ny harena an-kibon’ny tany izay nanatrika ny Africa Down Under, fihaonana iraisam-pirenena momba ny seha-pihariana an-kibon’ny tany tanterahana any Australie amin’izao fotoana izao. Maro ireo fanontaniana izay napetrak’izy ireo ary noezahana novaliana avokoa.

Nanombohana ny fotoana ny fanazavan’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier momba ny Fehezan-dalàna vaovao sy ireo Didy fampiharana mifanaraka amin’izany ary koa ireo fepetra isan-karazany hahafahana miasa eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany any Madagasikara.

Isan’ny nitondra fanazavana ihany koa ny Tale Jeneralin’ny OMNIS sy ireo tomponandraikitra teknisianina momba ny andraikitra nomen’ny Fanjakana ity ratsamangaikan’ny Ministera ity ao anatin’izany Lalàna vaovao izany ; mikasika ireo otrikarena an-kibon’ny tany ananan’i Madagasikara, niaraka tamin’ny antontanisa nentina nanehoana tamin’ireo mpampiasa vola ny tena fisian’izany.

Nanome toky tao anatin’ny fanazavana rehetra sy nanao fanentanana an’ireo mpampiasa vola ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, fa afaka tonga mampiasa vola any Madagasikara izy ireo. Notsindriany manokana kosa ny tokony anarahana ireo fepetra izay voalazan’ny didy aman-dalàna. Ka hifanome tanana amin’ny Fanjakana sy ny vahoaka Malagasy ireo mpampiasa vola ho fampiroboroboana ny asan’izy ireo ary koa mba hitondra fampandrosoana marina eo amin’ny firenena ny asa tanterahan’izy ireo any Madagasikara.

MIM/DCRP-Septembre 2024