FAMINDRAM-PITANTANAN-DRAHARAHA ETO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY
Tontosa androany Alatsinainy 21 Oktobra 2024 ny famindram-pitantana nandraisan’ny Tale Kabinetra mpisolo toerana RAKOTOMALALA Tahiry Andriamiarintsoa ny andraikiny vaovao, nandimby an’ Andriamatoa RAJOBSON Johary Hoela izay voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara any Maroc, araka ny Didim-panjakana noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 16 Oktobra 2024 lasa teo.
Nanotrona izany fotoana izany ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier. Firariantsoa ho an’ny Tale Kabinetra teo aloha izay voatendry ho Masoivoho sy fisaorana azy tamin’ny fiaraha-miasa ary koa fankaherezana ny Tale Kabinetra vonjimaika, amin’ny adidy miandry azy mba hahatrarana ny vina sy ho fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana mifandraika amin’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany no nivoitra tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony tao anatin’ity famindram-pitantanana ity.
MIM/DCRP – Octobre 2024