FIDINANA IFOTONY FANENTANANA SY FANABEZANA NY OLOM-PIRENENA (IEC) NIARAHANA TAMININY FIRAISAMONIM-PIRENENA “FIVE MENABE” TAO AMIN’NY DISTRIKAN’I MANJA
Nitohy ary nofaranana ny 17 ka hatramin’ny 22 oktobra 2024 ny fidinana ifotony niarahana tamin’ny firaisamonim-pirenena “FIVE MENABE” tao amin’ny Fokontany Manja sy Fokontany Androtsy Kaominina Ambanivohitra Manja sy ny Fokontany Beharona Kaominina Ambanivohitra Beharona izay samy ao amin’ny Distrikan’i Manja no nanaovana ny fanentanana sy fanabeazana ny olom-pirenena (IEC).
Tanjona nandritra ity fidinana ifotony ity ny fampahafantarana ny vahoaka ary ireo mpikambana mandrafitra ny OSC (Organisation de la Société Civile) ireo lalàna mahakasika ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny mety ho fiantraikan’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany amin’ny fiovan’ny toetrandro ary ireo mety ho endrika kolikoly hita ao anatin’ity sehatra ity. Ary vokatra andrasana amin’izany ny hidiran’ireo mpisehatra rehetra ho ao anatin’ny valan’ny ara-dalàna, hahazoan’ny Fanjakana sy ny Kaominina indrindra fa ny vahoaka tsy ankanavaka tombotsoa.
Ny Kaominina Beharona dia ahitana fitrandrahana « Ammonites » fa ny Kaominina Ambanivohitra Tsaraotana tsy mbola ahitana fitrandrahana ka ireo lohahevitra roa ambiny no nisongadina tao.
Fampitam-baovao sy sary: Talem-paritra DRMIM Menabe