AKOM-BAOVAO MOMBA NY FAMETRAHANA  » ZONE D’ENCADREMENT » TAO AMIN’NY DISTRIKAN’AMBATONDRAZAKA, FARITRA ALAOTRA MANGORO

Tontosa ny 16 oktobra 2024 ny fidinana ifotony izay fanaon’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Alaotra Mangoro niarahana tamin’ny Sefo Fokontany Antandrokomby Kaominina Ambohitsilaozana ao amin’ny Distrikan’ Ambatondrazaka nijerena ny fitrandrahana Quartz Rose izay ahitana mpitrandraka madinika maro. Izao no natao dia mba hahafahan’ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika miditra ao anatin’ny sehatra ara-dalàna sy matihanina kokoa.

Natao izao fidinana ifotony izao ho fanaraha-maso ny lamina sy ny toromarika rehetra izay napetraky ny Talem-paritra tamin’ny fidinana teo aloha tany amin’ny kariera. Marihana moa fa io kariera io dia ao anatin’ny Permis PR n° 9987 izay an’ny Concordant Resource Survey Corporation eo amin’ny coordonnées 17° 44,4280’ S 48° 29,8960’ E.

Nankasitraka ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany ireo solotenam-panjakana eny ifotony sy ireo mpitrandraka amin’izao ezaka lehibe amin’ny fampidirana ireo mpitrandraka madinika amin’ny sehatry ny ara-dalàna izao.

Fampitam-baovao sy sary: Talem-paritra DRMIM Alaotra Mangoro