FARITRA VATOVAVY : FAMETRAHANA ZONE D’ENCADREMENT HANOMEZANA TANTSOROKA IREO MPITRANDRAKA MADINIKA

Paikady napetraky ny Fitondram-panjakana, tanterahan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany, ho fampidirana ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika sy mpisivam-bolamena amin’ny sehatra manara-drafitra ny fametrahana ireo faritra antsoina hoe “Zone d’encadrement des exploitants miniers artisanaux et des orpailleurs”, ary efa maro ireo mpitrandraka madinika sy mponina tsotra no nisitraka izany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.

Mivondrona anaty fikambanana ireo mpitrandraka madinika ary ireo teknisianina eo anivon’ny Ministera, amin’ny alalan’ireo Fitaleavana isam-paritra na iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany, no manoro sy manome toromarika ho an’ireo vondrona mpitrandraka amin’ny lafiny ara-panjakana, ara -tontolo iainana ary ny momba ny teknikam-pitrandrahana ao anatin’izany «Zone d’encadrement» izay hanomezana tantsoroka azy ireo izany.

Ho fanatanterahana an’izany, ny 20 Martsa hatramin’ny 28 Martsa lasa teo dia nisy ny fidinana ifotony mifanesy nataon’ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany DRMIM Vatovavy sy ny teknisianina avy ao amin’ny BCMM Manakara, tao amin’ny Kaominina Ambodilafa sy ny Kaominina Vohitrandriana, Distrika Nosy-Varika ary tao amin’ny Fokontany Manakana, Kaominina Ambalahosy, Distrika Mananjary

-Nisy ny fitsidihana ara-pomba fanajana ireo Ben’ny Tanàna ka nararaotina nampahafantarina azy ireo ny andraikiny manoloana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.

-Napetraka ny faritra voatokana ho tantsoroka ho an’ireo vondron’ny mpitrandraka madinika.

-Natao ihany koa ny fanentanana an’ireo mpitrandraka madinika izay mbola tsy anatin’ny ara-dalàna.

Hita fa liana amin’ny fidirana ao anatin’ny ara-dalàna ireo mpitrandraka no sady mankasitraka ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Fitondram-panjakana amin’ny famoronana asa ho an’ireo mpitrandraka madinika amin’ny alalan’ny fikambanana hajoro.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMIM Vatovavy