FIARAHA-MIASA AMIN’NY FIRENENA AMERIKANA : dinika momba ny fanavaozana ny AGOA sy ny fiaraha-miasa momba ny « minéraux critiques » notanterahana tany Washington
Nitohy ny faha-26 sy 27 Martsa 2025 ireo fihaonana avo lenta sy ady sisika tanterahan’ny delegasiona malagasy any Washington DC momba ny fanavaozana ny AGOA sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy amerikana mikasika ny « minéraux critiques » izay akora fototra ilaina amin’ny fiampitana amin’ny fampiasana angovo madio.
Tsy nikely soroka fa niady varotra ho an’ny tombontsoan’ny firenena ireo delegasiona solontenan’ny Fanjakana Malagasy sy ny sehatra tsy miankina, nahitana ny Masoivohon’i Madagasikara any Amerika, Ramatoa RAKOTOMALALA Lantosoa, Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany, Andriamatoa RALAMBOFIRINGA David, Minisitry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ireo mpitantana ny avy amin’ny sehatra tsy miankina avy aty Madagasikara.
Ankoatra ireo dinika nifanesy niarahana tamin’ireo tomponandraikitra ambony mpanao lalàna, niresahana ny tombontsoan’ny firenena roa tonta amin’ny AGOA, dia nisy ny fifampizaràna traikefa nahitana fahombiazana nataon’ireo mpitantana orinasa malagasy mivondrona anatin’ny GEM, GEFP sy avy amin’ny orinasa amerikana Energy Fuels, ny Fikambanana « American Apparel and Footwear Association ».
Nahitam-bokatra ihany koa ny fihaonana tamin’ireo mpiasam-panjakana ambony ao amin’ny US State Department. Isan’ny nivoitra tamin’izany ny resaka fifanakalozana ara-barotra, indrindra ireo akora fototra ilaina amin’ny fiampitàna amin’ny fampiasana angovo madio izay ananan’i Madagasikara betsaka. Noresahana koa ny Forum Mineral Security Partnership (MSP) izay vovonana mikatsaka ny fametrahana ny rojom-pamatsiana tomponandraikitra amin’izany akora harena an-kibon’ny tany izany.
Loharanom-baovao sy sary : Pejy Facebook Masoivohon’i Madagasikara Eto Washington
Indro ny rohy ahafahanao manaraka ny antsipirihan’ny fampitam-baovao https://www.facebook.com/share/p/15zdozwzx4/