FIZARANA ATTESTATION TEO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko

Mpiasa miisa 50 mianadahy avy eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, nanaraka fianarana ny teny anglisy nandritra ny herinandro maromaro niarahana tamin’ny English Languages Institute (ELI) no notolorana « attestation » androany Alatsinainy 03 Febroary 2025, tao amin’ny efitrano Amphitheatre Lacroix Ampandrianomby.

Lanonana notronin’Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny ELI ary ireo tomponandraikitra sy mpiasa eto anivonny Minisitera.

Mampivelatra ary manokatra lalana maro ho an’ny tsirairay ny fifehezana tenim-pirenena hafa iray na maromaro toa ny teny anglisy, izay teny voalohany ifaneraseran’izao tontolo izao. Samy niara-niaiky ireo rehetra nandray fitenenana fa tena ilaina ary tombony lehibe ny mahafehy teny vahiny.Ho an’ny eto anivonny Ministeranny harena an-kibonny tany manokana dia tanjona ny hampitomboana lenta ny fifehezan’ireo mpiasa ny teny vahiny hanampy azy ireo bebe kokoa amin’ny lafiny asa. Namporisika ny mpiasa hazoto handalina ny fahaizana sy ny fifehezana tenim-pirenena hafa ireo tomponandraikitra ho anjara biriky ho amin’ny arakasa sy hampiroboroboana ny fifandraisana ary hampandrosoana ny firenena.

Nankasitraka ny Minisitra sy ireo mpanabe ny solotenan’ny mpiasa izay nahazo fiofanana teny anglisy ity.