FAMBOLEN-KAZO NOTONTOSAIN’NY FIANAKAVIAMBEN’NY MPIASA ETO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY NIARAHANA TAMIN’IREO MPIANTSEHATRA AMIN’NY SEHA-PIHARIANA HARENA AN-KIBON’NY TANY

« Ny ala antoky ny rano sy ny angovo », io ny lohahevitra nasionaly ho an’ny taom-pambolen-kazo 2024-2025.

Ho fanatanterahana ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny handrakofana ala sy hanamaitsoana indray an’i Madagasikara dia nosantariny tany Andekaleka ny volana Desambra 2024 lasa teo ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2024-2025. Ary nanentana ny olom-pirenena rehetra izy mba hitondra ny anjara biriky amin’izany adidy ho an’ny Tanindrazana izany.

Ho fanatanterahana izany toromarika izany sy araka ny fiaraha-mientana hatramin’izay, dia nanatontosa ny adidiny teny Tsiakarana, Fokontany Antanimenabe, Kaominina Masindray ny fianakaviamben’ny mpiasa sy ireo rantsa-mangaika eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ary koa ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiantsehatra amin’izany seha-pihariana izany androany Zoma 14 febroary 2025, izay notarihan’Andriamatoa Ministra RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier.

Zana-kazo miisa 5.000 fototra ahitana Acacia, eucalyptus robusta, eucalyptus citriodora, frêne, voandelaka arivo fototra avy no novolena tamin’ny velarantany mirefy 2 hekitara izay natolotry ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ho toeram-pambolen-kazo karakarain’ny OMNIS izay ratsamangaikan’ny Ministeran’ny Harena An-kibon’ny tany.

« Ankoatra ny famerenana an’i Madagasikara ho Nosy maitso dia mitana anjara toerana manokana ny fitandroana sy fanarenana ny lafiny tontolo iainana eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, miainga amin’ny dingan’ny fikarohana hatramin’ny aorian’ny asa fitrandrahana », raha ny nambaran’Andriamatoa Minisitra.

Nankasitraka ny fandraisana anjara mavitrika avy amin’ny rehetra ka nahatontosana ity hetsika Fambolen-kazo ity ny Minisitra ary nanentana ny olom-pirenena tsirairay ny tenany hamita ny adidy amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara ho fitandroana ny lafiny ara-tontolo iainana, hiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro fa indrindra ihany koa hamelana lova tsara ho an’ny taranaka.