FIFAMINDRANA ARA-KASA ETO ANIVON’NY MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

Voatendry tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 26 Febroary 2025 ary nandray ny toerana maha mpandrindra ankapobeny na « Coordonnateur Général » eto anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany azy Ramatoa RAMANASE Saraha Tolotra Niavo.

Tontosa ny Alakamisy 27 Febroary 2025 tao amin’ny Amphithéâtre Lacroix Ampandrianomby, ny fifamindrana arakasa teo aminy sy Andriamatoa JAONARY Gerald, izay nisahana vonjimaika izany andraikitra izany teo aloha. Lanonam-pamindram-pitantanana natrehan’Andriamatoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ireo tomponandraikitra isan-tokony ary ny mpiasa eto anivon’ny Ministera.

Nankasitrahan’Andriamatoa Minisitra ny asa vitan’ny mpandrindra ankapobeny mpisolo toerana ary nirary soa ny mpandrindra ankapobeny vaovao hahavita be amin’ny andraikitra hosahaniny. Tanjona ny hiroborobon’ny fandraisana anjaran’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.