FAMBOLEN-KAZO DRMRS TOLIARA

Ny Talata 09/03/2021, tao aorian’ny fitokanana foto-drafitrasa: trano fonenan’ny Ben’ny Tanàna sy trano fandraisam-bahiny roa nomen’ny LABRADOR MADAGASCAR, dia niroso tamin’ny hetsika fambolen-kazo teo anivon’ny Commune Rurale BENONOKA, District BENENITRA ny daholobe.

Izany hetsika izany dia notarihin’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika ary nohotronin’ireo manam-pahefana maro toy Andriamatoa Solombavambahoanak’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i BENENITRA, Ramatoa Lehiben’ny Distrikan’i BENENITRA, Andriamatoa Ben’ny Tànana Commune Rurale BENONOKA, ireo mpiara-miasa amin’ny SOCIETE LABRADOR MADAGASCAR sy ny mpiara-miombon’antoka aminy SOCIETE RED GRANITI

Zana-kazo miisa 30.000 fototra no nomanina hovolena ka ny 10.000 fototra tamin’izany dia zana-kazo LALOASY sy RAKETA hita tao an-toerana ihany, raha ny 20.000 fototra kosa dia avy any Antananarivo toy ny Acacia, Mangarahara, Tamarin, Baobab, Ramy sy zana-kazo fihinamboa maro samihafa.

Araka ny fitanana an-tsoratra nataon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana avy ao Toliara dia nahatratra 75%-80% ny taham-pahombiazana nandritra ny hetsika fambolen-kazo ny taona 2020.

Nofaranana tamin’ny nofon-kena mitam-pihavanana sy fiaraha-misakafo ity hetsika ity.