FANAOVAM-BELOMA NATAON’NY SOLOTENA MAHARITRY NY JICA TENY AMPANDRIANOMBY ANIO ZOMA 16 MAY 2025
Eo am-pamaranana ny fotoam-piasany eto Madagasikara dia noraisin’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany Andriamatoa RAZANANIRINA Henri Délice, notronin’ny Tale Jeneralin’ny Ministera harena an-kibon’ny tany, Ramatoa TANAKA Kaori, solotena maharitry ny JICA eto amintsika tao anatin’ny fanaovam-beloma izay nataony teny amin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany, teny Ampandrianomby androany Zoma 16 May 2025.
Nohararaotin’ity solotena maharitry ny JICA ity ny fihaonana teo amin’ny roa tonta nanaovana jery todika ny fiaraha-miasa sy ezaka vita tao anatin’ny dimy taona farany sy nijerena ireo azo hiaraha-miasa amin’ny ho avy. Marihana fa ho an’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany manokana dia misandrahaka amin’ny sehatra samihafa ny fiaraha-miasa, isan’izany ny fanolorana vatsim-pianarana ho an’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Ministera amin’ny alalan’ny KIZUNA, ny fanadihadiana ara-teknika mikasika ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany amin’ny ankapobeny sy ireo loharanonkarena mineraly hiarahana amin’ireo manam-pahaizana Japoney, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo mpiasa hampandrosoana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany.
Nitondra teny fankasitrahana ho an’ity solotena maharitry ny JICA ity ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera noho ireo fiaraha-miasa nahafinaritra ary naneho ny fahavononany hanohy sy hanamafy orina ny fifandraisana hampahomby ny fiaraha-miasa.