Fanaovan-tsonia fifanaraha-piaraha-miasa momba ny famaritana ny rambontany ambany ranomasin’i Madagasikara

Notanterahana ny Zoma 16 Aprily 2021, tao amin’ny Salle des Conventions an’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ny lanonana fanaovan-tsonia nampitain-davitra ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny famaritana ny rambontany ambany ranomasin’i Madagasikara. Izany dia taorian’ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra ny 03 Martsa 2021 ny fiaraha-miasa ara-tsiantifika eo amin’ny OMNIS sy ny Second Institute of Oceanography (SIO).

Ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Dr TEHINDRAZANARIVELO Djacoba A. S. Oliva, ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika Andriamatoa RAVOKATRA Fidiniavo no nitarika ireo solontenan’ny Fanjakana malagasy, izay nahitana teknisiana avy eo anivon’ny Ministera roa tonta sy avy ao amin’ny OMNIS. Ny Minisitra lefitra sinoa Dr WANG Hong, misahana ny Loharanon-karena Natoraly sady Mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny State Oceanic Administration kosa no nitarika ireo solontenan’ny Governemanta sinoa, ary notronin-dRamatoa GUO Xiaomei Masoivoho Sinoa miasa sy monina eto Madagasikara.

Ramatoa isany RASOLONIRINA Nantenaina, Tale Jeneraly mpisolo toerana OMNIS sy Dr FANG Yinxia, Tale Jeneraly Lefitra SIO no nanatontosa ny fanaovan-tsonia izany fifanaraham-piara-miasa izany.

Ny taona 2011 i Madagasikara no nanomboka nametraka ny fangatahana fanitarana ny rambontany ambany ranomasina teo anivon’ny Vaomieran’ny Firenena mikambana mamaritra ny Plateau Continental (CLPC). Andalam-pandinihana izany fangatahan’i Madagasikara izany ankehitriny, ary misy ny famenoana antontan-taratasy takian’ity Vaomiera iraisam-pirenena ity. Tsinjon’ny fitondrana ankehitriny ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-stratejika mety aterak’io fanitarana ny rambontany io ka nahatonga azy nanetsika indray ireo dingana mety hahatongavana amin’izany. Izany indrindra no antony nametrahana izao fiaraha-miasa eo amin’ny OMNIS sy SIO izao.

Nisafidy ny hiara-miasa amin’ny mpiara-miombonantoka manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara, ny SIO rahateo dia ivon-toeram-pikarohana manana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-pitaovana hahafahana manatanteraka ireo asa fikarohana an-dranomasina tsy maintsy atao. Marihana fa iarahan’ireo manam-pahaizana siantifika malagasy sy sinoa ny asa fikarohana sy fanadihadiana hotontosaina.

Ny rambontany ambany ranomasin’i Madagasikara dia faritra miitatra an-kilaometatra maro any ambany fari-dranomasina atsimo. Velarantany izay mitahiry loharanon-karena voajanahary maro sy harena an-kibon’ny tany, solika ary gazy.