Fitsidihana nataon’ireo parlemantera avy amin’ny firenena ampahany na mampiasa manontolo ny teny frantsay – Ampandrianomby
Noraisin’ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika Andriamatoa RATAFIKA, omaly Alarobia 10 Novambra 2021, teny amin’ny toeram-piasany teny Ampandrianomby, ireo delegasionan’ny Parlementera avy amin’ny fivondronamben’ny firenena miteny ny teny frantsay notarihin-dRamatoa Angélique NGOMA.
Mamita iraka eto amintsika ho famaliana ny fangatahan’ireo Parlementera malagasy, Ramatoa Angélique NGOMA,Filohan’ny Kaomisiona fahasalamana, fanabeazana, ny raharaha sosialy sy kolontsaina sy Andriamatoa Bachir Amadou DIEYE, Mpanolontsaina ho an’ny faritr’i Afrika no sady mpikambana ao amin’ny Kaomisiona fiaraha-miasa sy fampandrosoana ary fandaharan’asa ho an’ny tanora.
Noresahan-dRamatoa Angélique NGOMA, ny momba ny seminera atrikasa miompana amin’ny lohahevitra mahakasika ny anjara andraikitry ny vehivavy sy ny fiseharana eo amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany hiarahan’izy ireo amin’ireo Parlementera Malagasy. Tanjona ny hampandraisana anjara bebe kokoa ny vehivavy amin’ity sehatra ity. Noderainy manokana ny ezaka amin’ny fampiseharana sy fiaraha-miasa eo amin’ny Parlementera sy ny Governemanta, malagasy amin’ny fijerena akaiky ireo manahirana ny mponina.
Ny ady amin’ny fampiasana ny ankizy, ny tsy fanajana na fandikana ny zo maha olona sy ny zo fototry ny ankizy, ny anjara andraikitry ny vehivavy, ny resaka mira lenta, no isan’ny teboka voaresaka nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ireo.
Ho an’ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika manokana dia nazavain’ny tompon’andraikitra tamin’ireo vahiny ireto ny mahakasika ny vina miandry sy ny fandaharan’asan’ny Ministera