Fanambaram-pananana teny amin’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly

Tomponandraikim-panjakana ambony avy eo anivon’ny Ministera foibe sy ireo rantsa-mangaikan’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy loharanon-karena stratejika no tonga nanao fanambaram-pananana araka izay voafaritry ny Lalàna teny amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly na BIANCO androany Alarobia 17 Novambra 2021.

Ny Talen’ny Kabinetra Andriamatoa RATAFIKA no nitarika ny delegasiona nanao ny fanambaram-pananana androany ity, izay marihana fa efa nisy ny andiany teo aloha nanatontosa izany. Efa nahatratra 87% ny taham-pahavitrihan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika amin’ny fanambaram-pananana talohan’izao fiaraha-mientana androany izao, araka ny nambarany, ary tohizana hatrany izany fahavitrihana amin’ny fanarahan-dalàna izany.

Ny Tale Jeneralin’ny BIANCO, Andriamatoa Laza ANDRIANIRINA no nandray ireo antontan-taratasy ary nanamafy izy fa fepetra maneho ny fahavononana hisoroka sy hiady amin’ny kolikoly ny fanambaram-pananana ataon’ireo tomponandraikitra voakasik’izany