Fanombohana hetsika fambolen-kazo andiany fahatelo nokarakarain’ny Orinasa Labrador Madagascar

10 Martsa 2022, Fokontany Benonoke sy Antanimena, CR Benonoke, Distrika Benenitra.

Filazàna izay mipetraka matetika ny hoe manimba tontolo iainana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, saingy nasehon’ireto mpandraharaha sy mpisehatra ireto fa mandray anjara amin’ny fiarovana sy fanarenana ny tontolo iainana, ary manentana ny mpiara-miombon’antoka aminy izy ireo, mba ho an’ny taranaka aoriana,

Nandray anjara tamin’ity fambolen-kazo ity  ireo solontena avy amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, notarihan’Andriamatoa Sekretera Jeneraly izay niaraka tamin’ny Tale iraisam-paritra DIRMRS Toliara sy ireo mpiara-miasa aminy, ary ny BCMM Toliara sy ireo Police des Mines avy any Toliara.

Zana-kazo miisa 43.323 no hovolena ho an’ny taom-pambolen-kazo 2022, izay mitsinjara toy izao : Acacia 20.262, Erable 5.160, Kininina 5000, Ananambo 3028, Zakarandah 2200, Mantalis 1430, Flamboyant 1330, Baobab 1166,  Akao 1000, Mahabibo 612, Vasarim 500, Kily 500, Cœur de bœuf 500, Tsinefo 384, Bonara vaventy 216, Bonara madinika 35.

Telo taona nifanesy izao no nikarakaran’ny Orinasa LABRADOR MADAGASCAR fambolen-kazo ao Benonoke, ary araka ny fitanana an-tsoratra nataon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana avy ao Toliara dia manodidina ny 80% ny taha fahaveloman’ireo zana-kazo 40.000 voavoly tamin’ny 2020, sy ireo 30.537 fototra voavoly ny taona 2021. Nampiavaka ity andiany fahatelo ity ny namokarana ireo zana-kazo rehetra tao amin’ny Pépinière Benonoke, tanin-janakazon’ny orinasa ; raha toa ka nafarana avy any Antananarivo izany tamin’ny andiany voalohany 2020 ary nafarana tao Toliara ny taona 2021.

 Isan’ny namaly ny antson’ny mpikarakara, nandray anjara tamin’izao fambolen-kazo izao ireo manam-pahefana olom-boafidy, tomponandraikitra sy solontenam-panjakana sivily sy miaramila any an-toerana.

Nankasitraka izao ezaka goavana ho an’ny tontolo iainana izao ny rehetra ary entanina hatrany ireo orinasa mpitrandraka sy mpandraharaha harena an-kibon’ny tany hafa mba haka ohatra amin’ny firotsahana tahaka izao.

Sary sy Fampitam-baovao : DIRMRS Toliara