AKOM-BAOVAO DRMRS MENABE: FAMPAHAFANTARANA SY FANENTANANA IFOTONY TANY MALAIMBADY
Taorian’ny fampiofanana ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim- pirenena, ny Zandarimariam-pirenena ary ireo « régisseurs » izay notontosaina tao amin’ny Kaomina Ambonivohitry Miandrivazo, nidina ifotony tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Malaimbandy ao amin’ny Distrika Mahabo ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy loharanonkarena stratejika DRMRS Menabe izay notarihin’Andriamatoa Talem-paritra tamin’ny Talata faha-24 May teo.
Nosafidiana manokana io Kaominina io, satria ankoatr’ireo vokatry ny harena an-kibon’ny tany avy ao amin’ny Faritra Menabe, dia mandalo ao koa ireo vokatra sasany avy amin’ireo Faritra manodidina dia ny Faritra Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania. Nohazavaina nandritra izany ireo karazana antontan-taratasy ilaina amin’nyy fivezivezin’ny vokatra harena an-kibon’ny tany, toy izany koa ireo andinin-dalàna mifehy azy ary ireo sazy mifandraika amin’ny fandikàna izany.
Nandray anjara tamin’izao hetsika izao Andriamatoa isany Ben’ ny tanana, ny delege-mpanjakana, ny Kaomandin’ny CSAO na « Centre Spécial d’Aguerrissement Opérationnel », ny Kaomandin’ny brigadin’ny Zandarimariam-pirenena sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo avy, ireo « Régisseurs » izay samy avy Kaominina ambanivohitra Malaimbandy, ireo « Régisseurs » ny Faritra Menabe miasa ao Malaimbandy ary ireo tompon’anadraikitra amin’ireo ireo kaoperativam-pitaterana enina (6) miasa amin’ny zotra Malaimbandy – Antsirabe – Antananarivo.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Menabe
MMRS/DCRI – Mai 2022