Fanjavonana volamena tao amin’ny coffre eo anivon’ny Ministera : 36 kilao sy 433 grama ny lanja marina an’ireo volamena tsy hita.

Nandritra ny fanatanterahana ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Tale Jeneraly teo aloha izay voatendry tamin’ny taona 2020 sy ny Tale Jeneralin’ny harena an-kibon’ny tany vaovao voatendry ny 13/04/2022, dia procédure normale sy ao anatin’ny fangaraharana ny fanatanterahana ny inventaire an’ny entana anatin’ny « coffre  » alohan’ny hanaovana fampitàna ny fanalahidy.

Nisy ny procédures nangalàna vadintany huissier ka notanterahana ny Alarobia 01 Jona 2022 izany inventaire izany. Hita taratra tamin’izany fa nisy ny tsy fahatomombanana na anomalie satria tsy nifanandrify ny entana voalaza fa tokony ho ao anaty coffre sy ny entana voamarin’ny huissier sy ireo mpanatrika hita maso tao

Tsy nisy volamena intsony tao fa nosoloina objets métalliques maro samihafa amin’ny lanja nitotaly 24.550kg. Manameloka tanteraka izany toe-javatra izany ny Ministera ary manoloana izany tsy fahatomombanana izany, dia nanao ny tatitra tamin’ny ambaratongam-pahefana ambony ny Minisitra ka nandray fepetra ireo tomponandraikitra samihafa manoloana izany. Amin’ny toe-javatra toy izao dia misy ny Sampandraharaha eo anivon’ny Primature izay misolo tena ny Fanjakana mametraka ny fitoriana mba hisokafan’ny fanadihadiana. 

Efa nanomboka ny famotorana ary eo am-pelatanan’ny mpanao famotorana sy ny Fitsarana ny tohin’ny raharaha ka antenaina fa ho hita ny zava-marina manoloana izany zava-misy izany.

Rohy : https://fb.watch/dVnCHp5kJA/