AKOM-BAOVAO DIRMRS FIANARANTSOA: Fidinana ifotony irosoana amin’ny fametrahana ny zone d’encadrement ho an’ny faritra Ihorombe sy Matsiatra Ambony

Manatanteraka fidinana ifotony any amin’ireo toerana ahitana fitrandrahana ao anivon’ny Faritra Ihorombe sy Matsiatra Ambony ny avy eo anivon’ny Fitaleavana iraisamparitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena Stratejika DIRMRS Fianarantsoa, miaraka amin’ny Solontena eo anivon’ny Kaominina.

Izany no natao dia ho fanatanterahana ny fametrahana ny Zone d’encadrement sy ny fampivondronana ireo mpitrandraka madinika, izay politika apetraky ny Minisitera ankehitriny, ho fampidirana azy ireo ao anatin’ny ara-dalàna.

Mialoha ny fidinana eny amin’ireo kariera dia misy hatrany ny fihaonana amin’ ireo tompon’andraikitra ara-panjakana eny an-toerana mba hahafantaran’izy ireo ny tanjona tian’ny MMRS ho tratrarina ary ihany koa ny fifanampiana ny hahatongavana amin’ izany. Isan’ny zava-dehibe nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpitrandraka madinika ireo ny  fihainoana ny hetahetan’izy ireo. Samy liana ary mazoto hiditra ao anatin’izany rafitra ara-dalàna izany avokoa  ny rehetra, mba ho tombotsoan’ny Kaominina,  ny Faritra, ny Firenena fa indrindra ny mpitrandraka mba hananan’izy ireo fahalalahana amin’ny asa izay ataony.

Mbola mitohy moa izany fidinana ifotony izany ankehitriny.

📸Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DIRMRS Fianarantsoa

MMRS/DCRI – Juillet 2022