ADY AMIN’ NY FITRANDRAHANA HAREM-PIRENENA TSY ARA-DALANA : Fanakatonana fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna tao Marokoro Maevatanàna
Fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna no sady tsy manana fahazoan-dalana tao amin’ny reniranon’i Kamoro, Fokontany Tsiandrarafa sy Antsira, Kaominina ambanivohitr’i Marokoro, Distrikan’i Maevatanàna, Faritra Betsiboka no natsahatra taorian’ny fidinana ifotony notontosain’ny delegasiona avy eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ny faran’ny herinandro lasa teo. Ankoatra ireo tomponandraikitra avy amin’ny Ministera foibe, isan’ny nandrafitra ny delegasiona ihany ny avy amin’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany (Police des Mines) sy ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Mahajanga.
Nandritra ny fidinana ifotony dia nandray fepetra ireo iraka avy amin’ny Ministera ka nogiazana avy hatrany ireo fitaovana vaventy nampiasaina tao an-toerana. Marihana fa tsy tratra tao an-toerana ireo teratany Sinoa manao ny asa fitrandrahana any amin’io toerana io. Efa nandritra ny taona maromaro izy ireo no niasa tao, raha ny nambaran’ny Ben’ny Tanàna Andriamatoa RABESON Armand. Fitrandrahana tsy nahazoana alalana sady mampiasa fitaovana goavana no ataon’izy ireo, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika, raha nanazava ireo fepetra noraisina manoloana izany. Hatolotra ny Fitsarana ny raharaha aorian’ny fanadihadiana, araka ny fanazavany hatrany.
Mahatratra aman-tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka ateraky ny fisian’ny fitrandrahana harem-pirenena tsy ara-dalàna tahaka izao, vola izay tokony hiditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Voalaza ombieny ombieny fa harena tsy azo havaozina ny harena an-kibon’ny tany. Miroso hatrany araka izany ny Ministera amin’ny ezaka hiadiana amin’ny gaboraraka, hisian’ny fitrandrahana ara-dalàna mba hampirindra ny seha-pihariana volamena sy ho fanadiovana ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany amin’ny ankapobeny.
©️ MMRS/DCRI – Juillet 2022