AKOM-BAOVAO DRMRS Melaky
Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny politikam-panjakana amin’ny fametrahana ny « Zone d’encadrement », ho an’ireo toerana kariera izay misy asa fitrandrahana Vato hiasan’ireo mpitrandraka madinika, tanterahan’ny Fitaleavam-paritry ny Harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DRMRS Melaky hatramin’izao.
Tao amin’ny kariera vitsivitsy ao anaty ny Kaominina Mafaijijo indray no nanatanterahana izany androany Talata faha-15 Novambra 2022, tamin’ny alalan’ny Fakàna mari-toerana ara-jeographia, sady narahana fanentanana natao tamin’ireo vahoaka mpitrandraka mba hivondrona ao anatin’ny fikambanana, sady hanaja ny fahadiovana manodidina sy ny lafiny ara-teknika fitrandrahana.
Efa kariera maromaro no nahavitana izany tao amin’ny Faritra Melaky, ary mbola maro ihany koa no hotanterahana, hoy ny Talem-paritra Razanadratefa Zoto Kinendry. Nanotrona azy tamin’izany moa ny Ben’ny tanànan’i Mafaijijo sy ireo solontenan’ny mpandraharaha vato.
Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Melaky
MMRS/DCRI – Novembre 2022