AKOM-BAOVAO DRMRS AMORON’I MANIA


Toeram-pitrandrahana maro tao anatin’ny Kaominina Mandrosonoro, Kaominina Itremo Fandriana ary Kaominina Tsarazaza, izay ao anatin’ny Distrika Ambatofinandrahana sy Distrika Fandriana no notsidihan’ny ekipa Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika DRMRS Amoron’i Mania, nanomboka 10 Novambra 2022 teo.

Izao fitsidihana izao dia tafiditra amin’ny fidinana ifotony ho fanatanterahana hatrany ny politikam-panjakana amin’ny fametrahana ny « Zone d’encadrement », izay hivondronan’ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika sy ny mpanivana volamena.

Nanentana azy ireo hatrany ny Fitaleavam-paritra amin’ny tokony hanajana ireo fenitra ara-tontolo iainana sy ny fahadiovana amin’ny asa fitrandrahana. Teo ihany koa ny fampahafantarana amin’ny tsy tokony hiasan’ny zaza tsy ampy taona amin’ny sehatra fitrandrahana.

Tsapa nandritra izany fa vonona hanaraka ny toromarika ireo mpitrandraka madinika ary vonona ihany koa hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna.

Fampitam-baovao sy sary : DRMRS Amoron’i Mania

DCRI/MMRS – Novembre 2022