TSENABE SY FAMPIRATIANA IRAISAMPARITRA NY HARENA ANKIBON’NY TANY ETO FIANARANTSOA – Andro Voalohany

Tontosa soa aman-tsara androany  Zoma 25 Novambra 2022 ny Fanokafana ny TSENABE SY FAMPIRANTIANA IRAISAMPARITRA NY HARENA ANKIBON’NY TANY ETO FIANARANTSOA, izay nokarakarain’ny Fitaleavana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika DIRMRS Fianarantsoa.

« Mifandraika amin’ny paikadin’ny Ministera ho fanaovana matihanina ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany amin’ny ankapobeny sy fampidirana anaty sehatra manara-dalana an’ireo mpitrandraka madinika ny hetsika toy izao », raha ny nambaran’ny ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Ministera, izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, nitarika ny lanonam-panokafana tamin’izany, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa avy amin’ny Ministera foibe sy ny Talem-paritra DRMRS Amoron’i Mania. Tonga nanotrona ny fotoana ihany koa ireo olom-boafidy, tomponandraiki-panjakana sy manam-pahefana sivily sy miaramila any an-toerana.

Namaly ny antso ka tonga navitrika nandray anjara tamin’ity Tsenabe ity ireo Mpandraharaha sy mpikirakira ny harena vatosoa ao amin’ny Faritra matsiatra ambony, misehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany eo anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony sy Ihorombe.

Ireo fandraisana fitenenana nifandimby dia samy nanamarika ny maha-zava-dehibe ny hetsika toy izao, izay isan’ny fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny Faritra. Nanamafy izany izay voalazan-dRamatoa Solombavambahoaka voafidy tao Ikalamavony « Mitondra vahaolana ho an’ny Distrika ny fampanarahan-dalàna ny asa vato, ary isan’ny antoka hita maso ho an’ny fihatsaran’ny fandriampahalemana »

Hita nandritra ny fitsidihana ireo fampirantiana maro isan-karazany  ireo harena ankibon’ny tany misy eo anivon’ny Faritra fa manan-karena tokoa ireto Faritra voalaza ireto.

Ny tolakandro dia nisy ny loabary an-dasy nifanakalozan-kevitra mikasika ny zava-misy ankehitriny manodidina ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany, fiaraha-mikaroka izay hahasoa sy hahazoana tombontsoa iombonana no tanjona ka tsy nisalasala ny mpandray anjara naneho ny heviny sy nanolotra soso-kevitra araka izany.

Mbola mitohy rahampitso Sabotsy 26 Novambra ny hetsika, sady ho fizarana ireo vondrona mpitrandraka madinika na Groupement efa nahazo Zone d’encadrement.

MMRS/DCRI – Novambra 2022