TSENABE SY FAMPIRANTIANA IRAISAM-PARITRY NY HARENA ANKIBON’NY TANY- FIANARANTSOA
Paikady entin’ny Fanjakana hahafahan’ireo vondrona mpitrandraka madinika miasa ao anatin’ny sehatra ara-dalàna ny fametrahana ny Zone d’encadrement.
Nanamafy ireo tsara ho fantatra momba izany ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, nandritra ny andro faharoa sady famaranana ny Tsenabe sy fampirantiana iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Ministera ao Fianarantsoa, ny Sabotsy 26 Novambra 2022.
Nampatsiahiviny tamin’izany fa :
Fampiharana ny lalàna manan-kery izany, mba ho vahaolana manoloana ny zava-misy ankehitriny eo amin’ny sehatra harena an-kibon’ny tany sady ho fampidirana ny mpitrandraka madinika amin’ny ara-dalàna
– Ny fanatanterahana ny asa fitrandrahana anatin’izany sehatra ara-dalàna izany no hany lalana hahazoan’ny rehetra tombontsoa, indrindra ho an’ny tamberim-bidy azo avy amin’ny harena an-kibon’ny tany
– Maimaimpoana tsy misy sarany aloa ny fikarakarana ny taratasy rehetra hiasàna anaty Zone d’encadrement
– Nohamafisiny hatrany fa fitrandrahana madinika no azo atao anaty Zone d’encadrement, ka noho izany dia voafetra amin’ny fampiasana fitaovam-pitrandrahana madinika no azo ampiasaina, fa tsy azo ampiasàna fitaovana vaventy (bulldozer, engins de chantier) amin’ny fitrandrahana
Famoronana asa
Hita taratra tany an-toerana fa misy Fikambanana ahitana mpitrandraka madinika mahatratra hatramin’ny roapolo mahery no mivondrona ao anatiny. Olona maro araka izany no mahazo asa araka ny vinan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA “Asa mendrika ho an’ny rehetra” anatin’ny Velirano faha-6.
Fandriam-pahalemana
Samy naneho ny fankasitrahana ny Fitondram-panjakana sy ny fahafahampo amin’ny tombontsoa entin’ny fidirana amin’ny asa fitrandrahana manara-dalàna na ireo tomponandraiki-panjakana eny ifotony, fa indrindra ireo mpahazo tombontsoa. Ireto farany izay nampahafantatra tamim-pifaliana fa misy fiantraikany ankoatra ny fanomezana asa ara-dalàna izao paikady izao, satria foana ny tsy fandriam-pahalemana eny ifotony noho ny fananan’ny olona asa, raha ny nambaran’izy ireo.
Fahaiza-mitantana ny fidiram-bola avy amin’ny harena an-kibon’ny tany
Mikasika manokana ny tombontsoa avy amin’ny tamberimbidy avy amin’ny harena an-kibon’ny tany, dia nanambara ny Minisitra fa azo tsinjovina taona maromaro mialoha ny vola tokony hiditra amin’ny Faritra iray. Tokony omanina araka izany ny fampiasana ireo fidiram-bola ireo araka ny filàna sy laharam-pahamehana eo amin’ny Kaominina na ny Faritra mba tsy ho lanilany foana.
Manerana ireo Faritra rehetra eto Madagasikara no ametrahana ny zone d’encadrement. Samy manana ny harena an-kibon’ny tany isan-karazany ireny toerana ireny ary toy izany koa, misy ireo faritra ahitana izany betsaka kokoa noho ny any amin’ny faritra sasany.
Nisy ny fanolorana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpandray anjara rehetra tamin’ny fampirantiana, ho famaranana izao Tsenabe iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany tao Fianarantsoa izao.
MMRS/DCRI – Novambra 2022