AKOM-BAOVAO DIRMRS TOLIARA
Tontosa ny faha 23 hatramin’ny faha 27 Novambra 2022 ny fidinana ifotony ho fametrahana »Zone d’encadrement » nataon’ny eo anivon’ny DIRMRS Toliara tany amin’ireo kariera maro anatin’ny Kaominina ambonivohitra Beraketa sy Ambatosola, izay samy ao anaty Distrika Bekily, Faritra Androy.
Taorian’ny fihaonana tamin’ireo Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy dia notanterahana ny fitsidihana ny toeram-pitrandrahana. Toy ny mahazatra, nisy ny fanaovana tombana amin’ny ankapobeny ny toeram-pitrandrahana, ny fijerena ny mombamomba ireo vato trandrahana, ny asa vato ary ny fitafàna tamin’ireo mpitrandraka madinika isaky ny kariera.
Nandritra ny fifampiresahana no nampahafantarana azy ireo ny paikady sy ny politikam-panjakana amin’ny alalan’ny fametrahana »Zone d’encadrement » amin’ireo faritra misy mpitrandraka madinika, mba ho fampanarahan-dalàna ny asan’izy ireo, ary indrindra ho fiarovana ny mety ho gaboraraka rehetra.
Nampahafantarina ireo Ben’ny tanàna nolalovana ny Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany amin’ny ankapobany sy ny andraikiny ary ny fiaraha-miasa tokony hisy eo amin’izy ireo sy ny avy amin’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny sy ny Loharanon-karena Stratejika.
Nisy ny fepetra noraisina ho fiaraha-miasa, ho fanampiana sy hitandroana ny fahalemana any amin’ireo Kaominina mafana, momba ireo mpitrandraka sy ireo mpividy ary ireo mpanangona entana amin’ny fanohizana ny asa vato efa nataony nandritra ny fotoana naharitra. Napetraka ny fifampatokisana fa hizotra ho amin’ny sehatra ara-dalàna ny rehetra.
Fampitam-baovao sy sary : Tale iraisam-paritra DIRMRS Toliara
MMRS/DCRI – Décembre 2022