Famaritana ny faritra voatokana mba hiantsorohana ireo mpitrandraka madinika na « Zone d’encadrement » ao amin’ny Faritra Menabe.

Nanao fidinana ifotony tao amin’ny :

-Kaominina Ambanivohitry Ambatolahy- Distrika Miandrivazo,

-Kaominina Ambanivohitry Malaimbandy-Distrika Mahabo,

– Kaominina Ambanivohitry Antsoha Distrika-Belo/Tsiribihina,

Ireo Teknisianina avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika DRMRS Menabe izay notarihan’ny Andriamatoa Talem-paritra ny faha 23-29 Novambra sy ny 2-4 desambra 2022 lasa teo.

Nisy nandritra izany  ny  fihaonana tamin’ireo vahoaka, ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany madinika ary ireo tomponandraikitra ao amin’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Nampahafantarina azy ireo  nandritra izany fihaonana izany: 

-ireo adidy aman’ andraikitry ireo VIP eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany,

– ireo toromarika mahakasika ny famaritana ny toerana hitrandrahana ho « Zone d’encadrement »,

– ny fananganana ny vondron’ny mpitrandraka madinika,

-ny tokony hanajana  ny tontolo iainana,

– ary ny tsy tokony ampiasana intsony ireo zaza tsy ampy taona.

Vondrona mpitrandraka miisa 4 avy ao Ambatolahy, Tsimazava ary Antsoha no nanapa-kevitra ny hiroso eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Menabe

MMRS/DCRI – Décembre 2022