SALON DE L’INGENIEUR 2022 : « Ny toeran’ny Injeniera eo amin’ny asam-panjakana ambony »
« Tombony ho an’ny firenena ny fananana teknisianina Injeniera amin’ny fitantanana ny asam-panjakana ambony. Tsy tokony hijanona amin’ny teknika fotsiny ihany anefa fa mitaky fiofanana sy fanampiana fahalalana hafa tahaka ny fahaizana ny lalàna sy fahaiza-mitantana hahatomombana ny fifehezana izany fitazonana andraikitra ambony izany »
Ireo no teboka navoitry ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, ny Dr RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny famelabelarana ny lohahevitra « Ny toeran’ny Injeniera eo amin’ny asam-panjakana ambony », teny amin’ny Radisson Blue hotel, Tana Water Front Ambodivona, androany Talata 13 Desambra 2022.
Famelabelaran-kevitra izay tafiditra ao amin’ireo fandaharam-potoana sy hetsika maro karakarain’ny Holafitry ny Injeniera eto Madagasikara na ny OIM, mandritra ny Salon de l’Ingénieur, tanterahina nanomboka androany ka haharitra mandritra ny roa andro.
Ankoatra ny famaliana ireo fanontaniana nanitikitika ireo mpandray anjara manodidina ny departemanta iandraiketany, sy ny fitondrany fanazavana sy fampahafantarana ireo ezaka efa natao sy mbola hatao, dia nanome toro lalana manokana ho an’ireo zandry mbola andalam-panohizana ny fiofanana ho Injeniera, ary ho an’ireo efa mitana andraikitra na mieritreritra hisehatra eo amin’ny asam-panjakana ambony ihany koa ny Minisitra.
Hitohy hatramin’ny rahampitso moa ity hetsika Salon de l’Ingénieur ity, izay ahitana trano heva maromaro. Mandray anjara amin’izany ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika.
MMRS/DCRI – Décembre 2022