FAMPITAM-BAOVAO


Fanaovan-tsonia ny Fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ireo mpandraharaha voafantina hivarotra volamena amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Fampiroboroboana ny fanondranana ara-dalàna ny volamena sy hampitombo ny vola vahiny miverina no tanjona, ary indrindra ny hisian’ny volamena tafiditra anaty Tahirim-bolamena nasionaly.
Izao no tontosa dia ho firosoana amin’ny fanatanterahana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika sy ny Banky Foiben’i Madagasikara natao ny 23 Janoary 2020. Andraikitra roa samy hafa, saingy andraikitra mifameno tanteraka, no sahanin’ny roa tonta, ho fanatrarana ny tanjona iraisana.
Etsy andaniny, anjaran’ny Ministera ny mitarika ny lalan’ny volamena ho tonga ao amin’ny Banky Foibe, amin’ny alalan’ny fametrahana ireo fandaminana sy rafitra samihafa anatin’ny fandraharahana manara-drafitra.
Etsy ankilany, rehefa tonga eo anivon’ny Banky Foibe ireo dia miroso amin’ny fividianana ny volamena ny Fanjakana ho fananganana ny Tahirim-bolamena Nasionaly.
Andiany voalohany moa ity fifanaraham-piaraha-miasa natao teny amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ity.