Akon’ny DRMRS SAVA : Atomboka ny fanamboarana ny BAM Vohemar

Voapetraka soa aman-tsara ny 30 oktobra 2020 tany Vohemar ny vatofototry ny birao ifotony misahana ny fitantanan-draharan’ny Harena an-kibon’ny Tany na « Bureau d’Administration Minière » Vohemar, tao amin’ny Kaominina Andranomasikely I. Kaominina miisa 19 no mandrafitra ny Distrikan’ny Vohémar, ka ny 9 amin’ireo dia manana harena an-kibon’ny tany isan-karazany. Ny Distrikan’i Vohemar no ahitana izany betsaka indrindra any amin’ny Faritra SAVA, ary manaraka azy i Antalaha.

Tany an-toerana ny delegasionan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika, notarihin’ny Sekretera Jeneraly Andriamatoa RANDRIANARISON Primo sy ny Talen’ny Kabinetra RAKOTOARISON Adolphe. Nifanotrona nandritra izany ireo solontenam-panjakana any an-toerana, ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika SAVA ary ny Talen’ny BCMM Sambava. Nanatrika izany ihany koa ireo olo-manan-kaja sy Olobe an’ny tanàna.

«Anisan’ny Faritra manan-karena harena an-kibon’ny tany ny Faritra SAVA, indrindra fa Vohemar, ka ho entina hanatsarana ny fintantanan-draharaha amin’ny harena an-kibon’ny tany, sady indrindra ho fitsinjovana ireo mpisehatra anatin’izany, no hananganana izao fotodrafitrasa izao», araka ny fanazavan’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Ministera tomponandraikitra. Ankoatra ireo sampandraharaha misahana ny fandraharahana, hametrahana solontena avy amin’ny BCMM, ANOR sy Unité Police des Mines ihany koa ny BAM Vohemar.

Mampiavaka an’i Vohemar ny fisian’ny seranan-tsambo lehibe any an-toerana, anatanterahana ny fanondranana rehetra avy any amin’ny faritra SAVA, ka tafiditra anatin’ny paikady hanamafisana ny fanaraha-maso ny fanondranana ny harena an-kibon’ny tany ihany koa izany.

Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka no antony hananganana izao fotodrafitrasa izao. Raha tsiahivina dia ny volana Septambra lasa teo no napetraky ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena Stratejika Fidiniavo RAVOKATRA ny Talem-paritra vaovao DRMRS SAVA ao Sambava. Tsy voatery hamonjy any Antsiranana intsony ny mpandraharaha ao Sambava, Andapa, Antalaha amin’ny fikarakarana taratasy. Mbola mifanalavitra amin’izany nefa ny ao Vohemar izay any amin’ny tapany avaratry ny Faritra, nefa ahitana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany maro, ka izao hananganana ny BAM izao.