FARITRA MELAKY : Fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny DRMRS Melaky nanomezana torolalana ho an’ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany tao amin’ny kariera Antsohamaliniky Mafajijo

Anisan’ny andraikitra tanterahan’ny Minisiteran’ny Harena ankibon’ny Tany sy ny loharanonkarena stratejika, manoloana ny asa fitrandrahana, ny fampahafantarana ireo mpitrandraka ny fombafomba sy ny teknikam-pitrandrahana mahomby, mba ahazoan’izy ireo ny vokatra tsara sy ho fisorohana ihany koa ny loza izay mety haterak’izany.

Nidina ifotony tao amin’ny kariera Antsohamaliniky, CR Mafaijijo, Distrikan’i Maintirano ny Talem-paritry ny Harena an-kibon’ny tany syn y loharanonkarena stratejika DRMRS Melaky Razanadratefa Zotonokinendry sy ny ekipany, niaraka tamin’ny Ben’ny Tanànan’i Mafaijijo, ny Talata 6 Jona 2023.

Nojerena tamin’izany ny asa fitrandrahana salantsalany « artisanale » ataon’ny mpandraharaha iray, ka nanomezana ny toromarika izay tokony hatao mifandraika amin’izany ary manaraka ny fepetra momban’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Fampitam-baovao sy sary : Talem-paritra DRMRS Melaky

MMRS/DCRI – Juin 2023